SERANAM-PIARAMANIDINA AO NOSY-BE

Mampiasa angovo azo havaozina manontolo


  • Alakamisy 25 Aprily 2024

Efa mampiasa ny angovo azo havaozina ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be,

tantanan’ny Ravilana Airports amin’izao fotoana izao. Nanomboka tamin’ny faran’ny volana Martsa lasa teo no nisian’izany fiovana goavambe izany mba ho fiatovana ny tontolo iainana. Tanjona ny hahafahana mampiasa ny angovo azo havaozina azo avy amin’ny alalan’ny masoandro sy ny hazavana ao amin’ity seranam-piaramanidina iray ity sy ny eto Antananarivo hatramin’ny taona 2025. Tsiahivina moa fa ny seranam-piaramanidina ao Nosy-Be dia nahazo ny fahazoan-dalana laharana faharoa na ilay antsoina hoe : Accreditation Carbon Airport, izay fandaharan’asan’ny Airports Council International (ACI) mampihena ny fampiasana herinaratra amin’ny foto-drafitrasa goavambe tahaka ireny nanomboka ny taona 2019. Tsiahivina moa fa mamokatra angovo hatrany amin’ny 52kWc ny fitaovana hampiasan’ny Ravinala Airports ao amin’ity seranam-piaramanidina ity. Afaka miodina hatrany ireo fitaovana mila herinaratra ao aminy noho izany na dia amin’ny andro atoandro aza. Ity seranam-piaramanidina ao Nosy Be ity moa no seranam-piaramanidina voalohany nampiasa fitaovana raikitra tahaka izao momba ny fahazoana herinaratra amin’ny alalan’ny angovo azo havaozina.
Pati
Legende : Nandritra ny fitokanana ilay fitaovana ! 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT