Fifamoivoizana

Seranam-piamanidina Ivato Vita tsara tarehy ny toerana fandraisana olona


  • Sabotsy 23 Desambra 2017

Mitohy ny asa fanavaozana ny seranam-piaramanidina Ivato sy ny Fascene ao Nosy-Be tanterahin’ny Ravinala Airports.

Ho an’ny eny Ivato dia efa vita tanteraka ny asa fanaovana ny toerana fandraisan’olona ankehitriny, asa napetraky ny Ravinala Airports fa tsy maintsy vitaina mialohan’ity faran’ny taona 2017 ity. Tratra ny tanjona napetraka, araka izany. Efa afaka migoka sahady ny hakanton’ny fotodrafitrasa sy ny hatsarany ireo mpandeha avy any ivelany tonga mitsidika antsika eto Madagasikara. Nasiana fanatsarana ihany koa ny rindrina sy ny valindrihana ahitana ireo kisary mirakitra sy mampahafantatra ny kolontsaina Malagasy. Novaina sy nohavaozina ihany koa ny fitaovana rehetra hampiasaina ao amin’ity efitrano fandraisan’olona ity manomboka amin’ny feo famantarana ka hatramin’ny fitaovana kirakirain’ny mpandeha. Ho an’ireo mpandeha hivoaka any ivelany moa dia efa misy ny toerana manokana handraisana azy ireny, raha noraisin’ny SOMADA kosa ny asa fisavana sy ny fanampiana azy ireny mba hampirindra araka ny tokony ho izy ny fivoahana mankany ivelany. Tsiahivina fa amin’ny taona 2020 no kasaina ho vita tanteraka ity asa fanaovana ity seranam-piaramanidina eny Ivato ity ka anisan’ny tanjona ny hahatonga azy ho seranam-piaramanidina manara-penitra, azon’ny rehetra alain-tahaka na resaka fotodrafitrasa na ny firindran’ny asa fandraisan’olona.

Pati


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT