Olona 7 no indray namoy ny ainy ary 3 no maratra mafy vokatry ny lozam-pifamoivoizana mahatsiravina niseho tao Antsirinala, 10 km tsy hahatongavana an’i Moramanga raha avy aty Antananarivo, teo amin’ny PK7, ny alakamisy alina tokony ho tamin’ny 12 ora.
Vaky kodiarana ny fiara taksibrosy “sprinter”, iray an’ny Kaoperativa Kofimanga avy aty an-drenivohitra nitondra olona manodidina ny 20, ka nijanona teo an-tsisin-dalana amin’ny ilany an-kavanana. Tamin’ny ilany an-kavia ilay kodiarana vaky, ka raha samy iny teo am-panoloana azy iny indrindra no nirimorimo namantana tany aminy ny kamio lehibe “sémi-rémorque” avy any Toamasina. Tampoka ny fisehoan’ny loza, ka tsy nisy afa-niala sy tsy nisy nitsoahana intsony ireo olona, fa dia voafaoka sy voahosy tao. Ny 6 no maty teo no ho eo, ary 4 no naratra mafy, saingy namoy ny ainy ihany koa ny iray rehefa nialana nenina tany amin’ny hopitaly. Tsara ny manamarika, fa lasa lavidavitra mihitsy io fiarabe io vao tafajanona noho ny fandehanana mafy. Ny mpamily mpanampin’ilay taksibrosy aza, dia tavela tao ambanin’io fiarabe namoa-doza io. Notanan’ny mpitandro ny filaminana avy hatrany ilay mpamily, ary hatolotra ny fitsarana. Raha ny nambaran’io mpamily io moa, dia nisy zavatra nanarona azy no tsy nahitany ilay olona, ary efa akaiky izany vao nitranga. Tsy natao hanenjehana ny mpamily ireny fiarabe “sémi-rémorque” sy ny “citerne”, fa tsikaritra ho tena misetrasetra ny sasany amin’izy ireny amin’iny lalam-pirenena faha-2 iny. Tsy vitsy amin’ny mpamily mihazo an’iny RN2 iny no somary miferin’aina rehefa hifanena amin’izy ireny, indrindra amin’ny fiholahana. Rehefa ho avy ihany koa anefa ny loza tsy mampiomana, ka ny fanafodiny dia ny mailo sy ny mitandrina hatrany. Mila hentitra ihany koa ny fanaraha-maso ara-teknikan’ny fiara.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.