Notanterahina tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny tokotanin’ny CCI Ivato omaly talata 24 jona 2025
ny fanolorana bus miisa 42, izay ahitana bus 12 mandeha amin’ny herinaratra sy 30 hafa amin’ny motera “diesel”, samy avy any Chine ary novokarin’ny Foton Motor. Manana halavany 12 metatra ny bus elektrika tsirairay, ka mahazaka mpandeha manodidina ny 75, mipetraka sy mitsangana. Ny bus misy motera “thermique” kosa, mirefy 7,5 metatra avy, dia natao ho an’ny olona hatramin’ny 45 isa. Hisy ny zotra manokana ampiasana azy ireo hampitohy ny seranam-piaramanidina Ivato sy Tsarasaotra. Mialoha izany anefa dia hisantarana ny fampiasana ireo "bus électrique" ireo ny fitaterana ireo mpijery afomanga eny amin’ny Lac Iarivo anio 25 jona 2025, raha ny seraseram-panjakana. Miisa 300 ny andiany voalohany amin'ity fiara fitaterana ity no nafaran'ny Fitondram-panjakana izay ahitana ihany koa ireo "bus thermique" vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny firenena sinoa amin'ny alalan'ny orinisam-panjakana Foton, raha ny serasera. Ny bus amin’ny motera “diesel” indray dia hanokatra amin’ny fomba ofisialy ny zotra “fitaratra” Ankorondrano – Amoronakona. Ankoatra an’Antananarivo, dia nambara fa hisitraka ihany koa an’ireo bus vaovao ireo ny tanàn-dehibe hafa toa an’i Toamasina, Toliara, Antsirabe, Nosy Be, Mahajanga ary Fianarantsoa, ho fanatsarana ny fitateram-bahoaka manerana ny nosy. Notsindrian’ny Filoham-pirenena nandritra ny lanonana fa novolavolaina manokana mifanaraka amin’ny zava-misy sy ny lalana eto Madagasikara ireto bus ireto, ary nolazaina fa vonona sy misy eto an-toerana ihany koa, hoy izy, ireo kojakoja fanolo sy fitaovana ilaina amin’ny fikojakojana ny fiara. Fanomezana ve ireo bus 300 sa vidiana ? Fanomezana tafiditra ao anatin’ny rafitra FOCAC & Belt and Road ? Hanao fandraharahana ara-pitaterana hifaninana amin’ny tsy miankina ny Fanjakana sa homena ny tsy miankina ireo ? Rehefa natao ny fikarohana maivamaivana, manodidina ny480 000 hatramin’ny 600 000USD (≈ 2,16 hatramin’ny 2,7 miliara Ariary) ny bus elektrika iray amin’io nafarana io. Tombanana ho 50 000 – 80 000 USD (≈ 225 -360 tapitrisa Ariary) ilay fohy mandeha gazoala. Raha bus elektrika 300 izany dia manodidina ny 650 hatramin’ny 700 miliara eo raha vidiana, latsaka kely amin’ny teleferika. Hahaleo ny sarany ve ny vidiny ? Mpandraharaha iza no hitrandraka an’izany sa atao orinasam-panjakana? Tena laharam-pahamehana amin’izao krizy izao ?
ENCADRE
Naseho omaly ihany koa ny fiaramanidina Let 410 an’ny tafika izay mahazaka olona 19 rehefa tsy hita sy tsy nisy mangarahara ny niafaran’ilay CASA niteraka resabe.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.