SEHATRY NY FITSABOANA

Teratany Sinoa 700 hanatevin-daharana eto amintsika


  • Alarobia 26 Febroary 2025

Teratany Sinoa miisa 700 no fantatra fa ho avy hanatevin-daharana eto amintsika manomboka amin’ity

taona 2025 ity hanampy ny dokotera Malagasy eo amin’ny sehatry ny Fitsaboana, iraka andiany faha-24. Hiparitaka manerana ny faritra efatra izy ireo dia ny eto Analamanga ahitana ny hopitalim-panjakana ao Anosiala, ny any amin’ny distrikan’i Sambava, Ambovombe Androy ary Vatomandry. Olona manodidina ny 5 tapitrisa no ezahina hahazo tombontsoa amin’izany ao anatin’ny 2 taona ka anisan’ireo ny Renim-pianakaviana hiteraka, ireo marary mila fandidiana…Ho an’ny hopitalim-panjakana etsy Anosiala manokana dia fantatra fa efa nanomboka omaly Talata 25 Febroary ny hetsika fanampiana ny mponina nataon’ireo tera-tany Sinoa ireo. Nosantarina tamin’ny fizaham-pahasalamana maimaim-poana izany narahin’ny fizarana fanafody, hetsika hifarana anio Alarobia 26 Febroary. Olona am-polony no efa nisitraka izany omaly. Feno 50 taona amin’ity taona ity ny fiaraha-miasan’ny fanjakana Malagasy sy ny fanjakana Sinoa. Havaozina isaky ny 2 taona izany ho tombontsoan’ny mponina, indrindra fa ireo mitsabo tena eny anivon’ny hopitalim-panjakana.
Pati
Legende : Efa nisantatra izany ny hopitalim-panjakana eto Anosiala !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT