Fifamoivoizana

Scooter sy Taksi nifandona Olona iray naratra mafy


  • Alakamisy 16 Novambra 2017

Nitrangana lozam-pifamoivoizana omaly maraina tetsy Anosy, akaikin’ny toby fiantsonan’ny taksibe mihazo an’i Fenoarivo.

 

 Fiarakaretsaka 4 L iray niala olona niampita no nifatratra tamina môtô iray nandeha nisongona azy avy any an-kavanana ka tafiditra tany ambanin’ilay fiara. Naratra mafy ilay mpitondra môtô izay marihina fa tsy afaka nitsangana teo amin’ny toerana nianjerany ka voatery nobataina. Raha ny fanazavan’ireo mponina eny amin’ny manodidina dia tsy vao sambany no nitrangana lozam-pifamoivoizana tahaka izao teny amin’ny faritra Anosy noho ny hateren’ny lalana. Manampy trotraka ny fisian’ireo taksibe marobe mijanona eny an-toerana izay saika tsy manara-dalàna avokoa ny ankamaroany.

Patty


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT