Fifamoivoizana

Sazalahy Tsianihy Mitaky ny hanokafana ny zotra nasionaly


  • Alarobia 29 Aprily 2020

Mitaky marin-drano ny hanokafana amin’izay ny zotra nasionalin’ny fiara fitateran’olona miakatra aty Antananarivo izahay,

 

 

 hoy Atoa Sazalahy Tsianihy filoha lefitry ny antoko mpanohitra any Toliara, fa mijaly tanteraka ireo mpiasa mpanjakana misotro ronona tokony hikarakara ny antontan-taratasiny aty an-drenivohitr’i Madagasikara. Fantatra mantsy ankehitriny, hoy izy, fa mikatso tanteraka ny “dossier” an’ireo “retraité promotion 1980” manerana ny nosy izay tokony handeha hisotro ronono tamin’ny faha-31 desambra 2019 sy 01 janoary 2020. Tsy afaka miakatra eo Antananarivo anefa noho ny fepetra noraisina amin’ny ady atao amin’ny coronavirus ireo mpisotra ronona ireo hikarakara ny antontan-taratasiny izay tsymaintsy karakaraina mivantana eny amin’ny minisiteran’ny “Finance” sy eny amin’ny minisiteran’ny “Fonction Publique” ary eny amin’ny Primatiora izay fakana ny “Arrêté de Nomination des Retraités”. Izany no hanamafisanay, hoy izy, amin’ny tokony hanokafana amin’izay ny zotra nasionaly mba hahafahana miakatra any Antananarivo fa maherin' ny 600 isa fara-fahakeliny ireo mpisotro ronona tratran’ny fahasahiranana ireo.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT