Fifamoivoizana

Sarety sy posy Samy manao izay saim-patany


  • Alatsinainy 14 Septambra 2020

Raha voasokajy ho tanàna maloto indrindra aty Afrika i Antananarivo, araka ny fanadihadiana nataon’ny gazety boky amerikanina “Forbes”,

 

 

 

 dia azo inoana fa tafiditra ao anatin’ ny tanàna isian’ny gaboraraka indrindra ihany koa eo amin` ny lafiny fifamoivoizana. Tao anatin’ny taona maromaro izay dia hita fa nisy fivoarany ny fitaterana eto Madagasikara. Tsy fitaterana olona ihany fa hatramin’ny fitaterana entana koa. Na dia efa noraràna aza ireo posy sy sarety tsy hiditra amin’ny faritry ny afovoan-tanàna dia navela indray izy ireo amin’izao fotoana izao ka dia miandry ny hafainganam-pandehany mora izay fiara tratra aoriany. Ireo izay tsy mitandrina moa dia mety ho voakikin’ny vy be sy ny entana izay entiny. Niha nahazo vahana moa ity fomba fitaterana ity ary tsy ny lehilahy irery intsony ankehitriny no mpanosika sarety fa hatramin’ny zaza amam-behivavy koa. Tena mampalahelo tanteraka izany. Miverina an-tsaina ny andro ny fanadevozana sy ny fanjanahantany fahiny tamin` ny 100 taona lasa. Ny sarety izay ny soavaly sy ny omby no nitarika azy fahiny dia lasa olombelona indray no mizioga izany amin’izao fotoana izao. Vokatry ny fahantrana tao anatin’ny taona maromaro izany. Etsy andaniny ihany koa, ireo posy sy sarety dia tsy misy manaja ny didy navoakan’ny kaominina izany intsony ary tsy te hahalala izany lalàna mifehy ny fifamoivoizana izany mihitsy ireto posy sy sarety ireto fa manao izay danin’ny kibony. Manoloana izany rehetra izany anefa dia tsy hita izay andraikitra raisin’ny fitondram-panjakana sy ny kaominina ka miaritra ny zava-misy ny olon-drehetra. Hatreto aloha dia azo ambara fa mafy vao afaka hanova ireo fahazaran-dratsin’ny mponina ireo.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT