Fifamoivoizana

Saran-dalan’ny Taksibe 500 Ar ho an’ny FMA, 400 Ar ho an’ny UCTU


  • Alarobia 01 Aogositra 2018

Hanomboka anio alarobia 1 aogositra no hampiakatra ny saran-dalana ho 500 ariary ireo taksibe mivondrona ao amin’ny FMA izay ahitana ny kaoperativa Mirindra (194-163), Mihary (165), Sitraka (109), Kofitama (143), Mitambatra (166) ary Onja (192).

 

Tsy mbola hampiakatra ny azy kosa ny fivondronamben’ny mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra na UCTU izay misy koperativa miisa 54. Mba ho fitsinjovana ny vahoaka no antony, hoy Randrianatoandro Lova, filohan’ny UCTU saingy takian’izy ireo kosa ny tokony hampidinan’ny fitondram-panjakana ny vidin-tsolika sy ny fanampiana ny taksibe izay manodidina ny 300.000 Ar isaky ny fiara isam-bolana ary tsy voaloa hatreto. Raha sanatria kosa ka miakatra tampoka ny vidin-tsolika na dia 1 ariary aza  rahalina dia tsy maintsy hivory maika be izy ireo handinika maika ny fepetra tsy maintsy horaisina. Ho an’ny FMA manokana moa  dia tsy nety nanazava intsony mikasika ny fampiakarana saran-dalana ho 500 Ar  ny filohany omaly hariva na dia efa naely tamin’ny alalan’ny peta-drindrina tao anaty taksibe aza, andro maromaro lasa izay.  

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT