Fifamoivoizana

Saran-dalana – Zotra nasionaly Tsy hisy fiakarana na dia fety aza


  • Alatsinainy 18 Desambra 2017

Mampitaraina ny maro hatrany rehefa ankatoky ny fetin’ny noely sy ny faran’ny taona tahaka izao ny fampiakarana saran-dalana ataon’ireo mpitatitra sy ny tsy fahampian’ny fiara mpitatitra.

Nanambara ny filohan’ny ASTRAM na ny fikambanan’ireo mpitatitra mivondrona ao amin’ny zotra nasionaly   Rakotondrafa Fredinard fa tsy hisy izany ho azy ireo. Ny ara-dalàna ihany no harahana, hoy izy. Ny fidinan’ny saran-dalana aza no hisy, hoy izy rehefa fotoana tsy mampisy ny mpandeha. Mikasika iny lalam-pirenena faharoa iny izay nampitaraina ireo zotra miantsinanana ny haratsiany teo aloha teo dia nanambara Rakotondrafa Fredinard fa efa mandeha ny asa fanamboarana ankehitriny. Efa eny am-ponja daholo ihany koa ireo atidoha nikotrika ilay fitoraham-bato ireo mpitatitra ary efa milamina   ny fandriampahalemana. Efa nanomboka betsaka ireo mpandeha nihazo ny Faritra ny herinandro teo, indrindra ireo mpaka entana manenjika ny  tsenaben’ny Noely sy ny faran’ny taona.

 Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT