Fifamoivoizana

Saran-dàlana Sambava-Vohémar Lasa 16000Ar ny 10000Ar teo aloha


  • Alakamisy 14 Jolay 2022

Hiakatra ho16 000 Ariary ny saran-dalana mampitohy Sambava sy Vohémar raha 10 000 Ariary teo aloha.

Tahak'izany ihany koa mampitohy Sambava amin'ny distrikan'Andapa raha 10 000Ariary teo aloha. Ho an’ny zotra Sambava-Antalaha raha 5 000 Ariary teo aloha dia tapaka 8 000 Ariary amin'izao, araka ny tapaka omaky maraina nandritra ny fivoriana niarahan’ireo mpitatitra sy ireo manampahefana notarihin'ny prefen'i Sambava Andriamatoa MADINA Francis Romly. Nanentana ny mpamily sy ny tompony fiara kosa ny prefen'i Sambava amin'ny tokony hanarahan'ny rehetra ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana indrindra amin'ny fanatsarana ny tolotra omena ny mpanjifa ary nahamafisiny fa tsy handefitra sy hanaramaso ny tompon'andraikitra.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT