Fifamoivoizana

Saran-dalana Ny eo efa tsy takatra, ny mpitatitra manambana hampiakatra


  • Alarobia 10 Jolay 2024

Ny 12 jolay 2022 no niakatra ho 600 Ariary ny saran-dalan’ny fitaterana teto andrenivohitra,

raha tsiahivina, taorian’ny fivorian’ny filoham-pirenena malagasy mihitsy, Andry Rajoelina, sy ny fikambanan’ireo mpitatitra ny harivan’ny 11 jolay. Fanazavana tamin’izany fotoana moa ny hoe ahitsy hifanaraka amin’ny fiakaran’ny vidin-tsolika ho 4900 Ariary izany. Nanambara tamin’izany fotoana izany ny filoham-pirenena fa hanao ny ezaka rehetra ny fanjakana mba tsy hisy intsony ny fampiakarana vidin-tsolika sy ny saran-dalana hatramin’ ny farany taona 2022 amin’ny alalan’ny fikarohana mpamatsy solika amin’ny vidiny mora sy mifanaraka amin’ny fahefa-mividy eto an-toerana. Nahita izay mpamatsy solika amin’ny vidiny mora izay tokoa ve izany ny fitondram-panjakana? Na izany na tsy izany dia nanomboka tamin’ireny fotoana ireny no nankaty no tsikaritra fa nihena ireo olompirenena nazoto nandeha amin’izany antsoina hoe fiara fitateram-bahoaka na taksibe izany, raha ny fitarainan’ireo mpitatitra hatrany. Ankehitriny anefa dia iaraha-mahita indray ny zava-mitranga ny mpitatitra manambana hampiakatra izay saran-dalana izay, ny eo anefa izany efa tsy takatry ny ankamaroan’ny mpanjifa intsony. Antony moa, hoy ireo mpitatitra, dia satria na hiakatra na tsy hiakatra izay vidin-tsolika izay dia efa miakatra koa ankehitriny ny vidin’ireo kojakoja ilaina an-davan’andro mikasika ny fitaterana. Ny lalana ratsy koa tena manimba fiara. Mbola hitady mpamatsy solika amin’ny vidiny mora hafa indray ve izany ny fitondram-panjakana sa mba efa nahita vahaolana maharitra amin’izay mikasika ity olan’ny solika sy angovo ity? Nilaza moa ny antoko politika Otrikafo farany teo fa manana fahafahana ankehitriny isika malagasy hanangana tobin-tsolika na orinasa mpamokatra solika tena antsika amin’izay.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

  • Loza nahafaty olona 2
  • Alarobia 08 Aprily 2026

tany Manjakandriana Naiditra am-ponja

  • Sesilany ireo loza mahatsiravina
  • Talata 07 Aprily 2026

3 mianaka indray maty

  • LALAM-PIRENENA FAHAROA
  • Alarobia 01 Aprily 2026

Fiara iray voatsindrin'ny

  • Niampita tamin’ny
  • Zoma 27 Martsa 2026

maizina teny Masay

Hijery ny tohiny
FTT