Fifamoivoizana

Saran-dalana miazo ny RN1 Niakatra avokoa


  • Talata 12 Martsa 2019

Tsy nihemotra tamin’ny teny nataony ny filohan’ireo koperativa miasa any amin’iny lalam-pirenena voalohany iny fa tena nanatanteraka ny teniny ny amin’ny fampiakarana saran-dalana tokoa.

 

 

 

 

 Nanomboka afaka omaly alahady 10 martsa no nanatanterahana izany, nialohan’ny fametahana afisy tany anatin’ireo taxi-be tsirairay avy. Ho an’ny etsy Anosy miazo an’Ampitatafika ohatra dia foana tanteraka ilay saran-dalana  400 Ar fa lasa nisondrotra ho 500 Ar izany. Toraka izany koa ny avy eo Anosizato miazo an’Anosy izay lasa 500 Ar ihany koa raha mbola nety 300 Ar teo aloha. Misy amin’ireo mpandeha araka izany no tena velon-taraina. Nomarihin’izy ireo mantsy fa na dia efa miakatra tahaka izao aza ny saran-dalana ao amin’ny koperativa Kofiamo Trans dia mbola sahy mampiakatra saran-dalana ihany izy ireo,  rehefa faran’ny herinandro tsy henatra tsy tahotra.  Feran’izy ireo 1.000 Ar ohatra ny saran-dalana na dia eo Fenoarivo aza no miala ary tsy misy mihitsy ireo  mitondra tapa-dalana. Misy amin’ireo taxi-be avy any Vontovorona indray  rehefa harivariva iny no andro no sahy mampiakatra saran-dalana 2.000 Ar vao tonga eny Anosy. Miantso ny fandraisan’andraikitry ny lehiben’ny koperativa araka izany ny mpanjifa mba hijery akaiky izany fanararaotana mihoampampana izany.

Pati

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT