SARAN-DALANA ANTSIRABE-FARATSIHO

Manararao-paty ireo taksibrosy


  • Alatsinainy 29 Jolay 2024

Tafiditra ao anatin’ny fotoam-pialan-tsasatra lehibe tanteraka isika ankehitriny.

Mifanindry an-dalana amin’izany ny fotoana famadihan-drazana izay tena manamaro isa ireo olona mandeha midina any ambanivohitra toy ny miazo an’Antsirabe sy Faratsiho. Mararaotra fatratra ireo taksibrosy vokatr’izany. Efa tafakatra 20.000 Ar ny saran-dalan’ny olona iray mandroso fotsiny amin’izao raha efa misy mahatratra 22.000 Ar ny an’ny sasany. Toraka izany koa ireo hotely fihinanana sakafo atoandro eny an-dalana. Tsy misy latsaky ny 5.000 Ar intsony ny vary iray lovia raha mbola nahazo teo aloha teo 4.000 Ar. Na dia efa midangana tahaka izany aza anefa ny saran-dalana dia mbola vonjena amin’ny 04 ora maraina ihany ireo taksibrosy. Hifampitadiavana mantsy izany noho ny hamaroan’ny mpandeha. Vao tara ny amin’ny 06 ora maraina dia tsy lasa intsony fa tsy maintsy miandry ny ampitso indray.
Pati
Legende : Vao mangiran-dratsy dia efa feno mpandeha milahatra ety amin’ny Fasan’ny Karana ho any ambanivohitra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT