Hivory maika handinika ny fiakaran’ny saran-dalan’ireo koperativa sasany eto an-drenivohitra ho lasa 500 Ar ny fivondronan’ireo mpitatitra eto Antananarivo Renivohitra amin’ny talata ho avy izao.
Hanomboka amin’ny fiandohan’ny volana septambra ho avy izao ka anisan’ny hampiakatra ny azy ny zotra 133 mampitohy an’Itaosy amin’Analakely sy ny zotra 193 mampitohy amin’Anosimasina Itaosy sy Ampasampito. Fanapahan-kevitr’ireto zotra roa ireto io fampiakarana saran-dalana ho 500 Ar raha araka ny fantatra fa tsy nieran’izy ireo tamin’ny UCTU. Ho an’ny UCTU, raha araka ny fanazavan’Atoa Jean Louis filoha lefitry ny fikambanana dia tsy mbola rava ilay fifanarahana tamin’ny fitondram-panjakana izay manamafy ny fijanonan’ny saran-dalana ho 400 Ar miaraka amin’ilay fanampiana 300.000 Ar isaky ny fiara isam-bolana. Efa miomana ny handoa ilay fanampiana volana septambra taona 2017 rahateo ho an’ny mpitatitra ny fanjakana ankehitriny ka ho hita eo izay mety ho tohiny. Nanamafy Atoa Jean Louis fa miankina amin’ny fivoriana hotanterahin’izy ireo amin’io talata io no hanapahany hevitra na hampiakatra saran-dalana ho 500 Ar avokoa izy ireo na hanohy ny fifanarahany tamin’ny fitondram-panjakana ihany.
Pati
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.