Fifamoivoizana

Saran-dalan’ny taksibe Tsy hiakatra izany, hoy ny ATT


  • Sabotsy 06 Mey 2017

Nifarana ny volana aprily lasa teo ilay fanampiana 12 miliara Ar nentina nanampiana ireo mpitatitra miisa 6.000 eto amintsika entina hanamaivanana ny vidin-tsolika.

Fantatra fa  mbola hitohy hatramin’ny faran’ny taona 2017 izy io. Nakarina ho 396.000Ar isam-bolana isaky ny fiara ihany koa, araka ny fanazavan’ny  kolonely Andry Rakotondrazaka tale jeneralin’ny antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-tanety, elanelam-bidy 440 Ar isaky ny litatry ny gazoala nampitomboana 30 litatra  isan’andro sy 30 andro.  Tsy tokony hiakatra ny saran-dalana, hoy izy satria efa tena miezaka ny fanjakana. Nomarihiny manokana  fa ho an’ireo izay minia manampin-tsofina ka mbola mampiakatra ny saran-dalany ihany dia tsy hahazo ilay fanampiana mihitsy izy ireo. Mety ho tara ilay fanampiana saingy avy amin’ireo mpitatitra ihany no mahatonga izany. Tsy azo alefa tsirairay mantsy ny antontan-taratasy  hakana ny vola  fa tsy maintsy hatambatra ka ho an’ireo tsy mbola nahafeno  dia tsy maintsy miandry azy ny namany. Miantso ireo izay manana olana amin’ny fandraisana ity fanampiana ity ny tale jeneralin’ny ATT mba ho avy hanatona azy ireo. Tsy hitsahatra ity fanampiana ity raha tsy miverina ho 2.860 Ar ny vidin’ny gazoala iray litatra.

Pati


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT