Fifamoivoizana

Saofera nanompa sy tsy nanaja olona Mety hosintonina ny “pérmis” sy ny “capacité”


  • Zoma 25 Martsa 2022

Nampanantsoina ary efa eo ampelatanan'ny ATT ny taratasy fahazoan-dalana hamily na "pérmis" sy ny "capacité". Ho atolotra ny CRPC na « Commission de retrait des pérmis de conduire »

 ireo mpamily fiara fitateram-bahoaka sy ny mpamily mpanampy niaraka taminy, hoy omaly ny fampitam-baovao voaray teo anivon’ny zandarimariam-pirenena ao Vakinankaratra mikasika ireo mpitatitra nahatongavana fitarainana ho nanao adisoana. Taorian'ny fanehoan-kevitra na “publication” izay nataony dia nasaina hitoroka mivantana ny niharan'ny ompa sy tsy fanajana ary ny tsy fanarahana bokin'andraikitra nataon'ity fiara fitateram-bahoaka ity. Noho ny fiaraha-miasan'ny zandary sy polisy dia ny Police Centrale Antsirabe no nisahana azy. Averina hatrany fa asam-bahoaka ny asa fitaterana, hoy ireo mpitandro filaminana. Hajao sy araho ny toromarika rehetra sy ny lalanan'ny asanao. Tsy hisy fatiantoka ho an'ny rehetra, na ny mpanjifa na ny mpitatitra. Ho antsika mpandeha, Eo amin'ny “arrêt” re tompoko no manakana sy midina fa mba te hikarama ireo mpitatitra nefa ho voasazy raha mijanona amin'ny toerana tsy tokony ijanonany. Rehefa feno ny fiara dia aoka hiandry manaraka. Ny ATT moa dia miara-miasa hatrany amin'ny zandarimaria sy ny polisim-pirenena amin'ny fampanarahan-dalàna ny mpitatitra ary miara-mandray andraikitra eo am-piandrasana vahaolana iombonana amin'ny mpitatitra sy ny vahoaka, hoy hatrany ny hafatra sy fampitam-baovao.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT