SAMPANANA PAON D’OR IVATO

Fiara iray nivadika, olona iray namoy ny ainy


  • Talata 04 Jona 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana ain’olona omaly Alatsinainy 03 Jona tokony

ho tamin’ny 03 ora maraina teo amin’ny sampanan'ny Paon d'or eny Ivato. Karazana fiara 4x4 tsy mataho-dalana io tra-doza io no sady mbola tena ao anatin’ny heriny tanteraka. Nivadika ambony ambany vokatry ny fandehanana mafy ilay fiara hany ka potika tsy nisy noraisina intsony. Raha araka ny filazan'ireo nana-trimaso dia mbola nisy toaka hita tao anatin'ilay fiara nandritra ny fotoana nanaovan’ny mpitandro ny filaminana fanadihadiana. Olona iray moa no fantatra fa namoy ny ainy vokatr’izany, izay tombanana ho ilay mpamily ihany hoy hatrany ny vaovao azo.
Nangonin’i Pati
Legende : Potika tahaka izao ilay fiara nivadika !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT