SAMBOKELY RENDRIKA TAO BELO SUR TSIRIBIHIANA

Olona 4 mianaka namoy ny ainy, 2 mbola tsy hita


  • Alakamisy 20 Martsa 2025

Naka olona indray ny rano tany Belo Sur Tsiribihiana.

Sambokely iray na tefotefo no fantatra fa maty motera teo anelanelan'i Bosy sy Andrahangy, kaominina ambanivohitr’i Beroboka avaratra, distrikan’i Belo Sur Tsiribihiana afak’omaly Alarobia 18 Martsa folakandro tokony ho tamin’ny 02 ora folakandro. Niezaka nanamboatra ireo tompon’andraikitr’ilay sabo kely nandritra izany saingy niha-niakatra ny rano ka nahavaky ilay fitaovam-pitaterana izay nitarika hatramin'ny faharendrehany mihitsy. Olona 4 mianaka no namoy ny ainy vokatr’izany izay zaza ny roa raha nitontaly 30 kosa ireo mpandeha tao anatiny. Mbola tsy hita kosa ny roa ambiny raha velona soa aman-tsara ireo 24 isa. Niezaka nanavotr'aina nanomboka tamin'ny 11ora alina moa izy 30 mianaka ireo saingy omaly maraina vao nisy sambo afaka namonjy.
Pati
Legende : Nandritra ny fakana ireo razana tao anaty rano !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT