SAMBOKELY 2 RENDRIKA TANY AMBAJA

Mpitsoa-ponenana 48 tamin’ny 70 sisa no velona


  • Alakamisy 28 Novambra 2024

Olona 48 tamin’ireo miisa 70 mpitsoa-ponenana avy any Somalie no fantatra fa hany sisa velona nandritra

ilay lozam-pifamoivoizana an-dranomasina nitranga tao Bemanevika, distrikan’Ambanja afak’omaly talata 26 Novambra. Raha araka ny loharanom-baovao dia nikasa ho any Mayotte izy ireo no izao tra-doza izao. Tsy mbola fantatra mazava hatramin’ny fotoana nanoratanay omaly hariva ny antony naharendrika ireo sambokely miisa 2 ireo. Ao ireo milaza fa lany solika ilay sambo. Tao koa ireo nilaza fa simba tampoka dia rendrika ka natopatopan'ny onjan-dranomasina nanatona ny sisiny. Ireo manam-pahefana tany an-toerana moa no nahita voalohany izao tranga mampahalehlo izao. Nohentina notsaboina ao Nosy Be ny sasany raha ao Nosy Iranja kosa ny sasany. Efa ao anatin’ny fanadihadiana tanteraka ireo ny mpitandro ny filaminana hatramin’ny nanomboka tamin’ny fotoana nitrangan’ny loza. Na izany aza dia fantatra fa tsy mahay tenim-pirenena hafa ankoatra ny teniny ireto teratany Somaliana ireo ka tsy maintsy ilana mpandika teny. Izy ireo ihany anefa no tena mahalala ny zava-nitranga niainany taloha sy nandritra ny loza. Efa nisy hita moa ny vatana mangatsiakan’ny sasany raha efa natelin’ny ranomasina kosa ny sasany.
Pati
Legende : Nandritra ny fidinana ifotony nataon’ny mpitandro ny filaminana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT