Fifamoivoizana

Sambo maty teny an’ivon-dranomasina Hita ihany ireo mpanarato miisa 8


  • Alakamisy 29 Jona 2023

Na eo aza ny fandraràna tsy hiandriaka, noho ny andro ratsy dia mpanarato miisa 8, izay vehivavy ny iray, no niainga tao Maromandia,

Nosy Boraha na Sainte Marie, hihazo an'Antsiraka Antanifotsy, distrikan'i Soanierana Ivongo, ny alahady tolakandro teo, hoy ny fampitam-baovao voaray. Maty ny maoteran'ilay sambon'izy ireo, nony teny anivon-dranomasina, raha ny fanazavana voaray. Nanomboka teo, tsy hita popoka. Nandefa angidimby hitady azy ireo ny fanjakana, raha ny vaovaon'ny governoran'ny faritr'Analanjirofo. Ny alin’ny alatsinainy teo no nahazoana antso an-tariby izy ireo nilaza fa mahita "pylône" miisa 2 misy jiro mena. Notombanana ho ireo "pylône" ao Antanambe sy ao Seranambe, distrikan'i Mananara Avaratra, ireo tsinjon'izy ireo io. Nitohy ny fikarohana. Raha ny heno dia efa noana sy malemilemy izy ireo. Sarotra ihany koa ny fifandraisana an-tariby, raha ny fanazavana voaray. Hita soa aman-tsara tany Ampolahambe, Kaominina Ambanizana, distrikan'i Maroantsetra, ny lakana sy ireo olona 8 tao anatiny. Tsy misy ny aina nafoy, hoy hatrany ny fampitam-baovao voaray omaly, ka misaotra sy mankasitraka hatrany ireo nanome tanana sy nampita vaovao, hoy hatrany ny tomponandraikitra.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT