Fifamoivoizana

Sambo Francia II namoa-doza Karohana ny mpanamory sady tompony


  • Talata 28 Desambra 2021

Nanao tatitra mikasika ny raharaha faharendrehan’ny Sambo MS Francia III ny avy amin’ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny Antokon-draharaha misahana ny fitaterana an-dranomasina sy an-dranomamy (APMF)

 omaly tetsy amin’ny Foibeny tetsy Ankorondrano. Mizara 3 lehibe ny dingana: fikarohana sy vonjy voina, ka 138 teo ny olona tao anatin’ny sambo, araka ny fanadihadiana natao tamin’ireo velona sy ny havan’ireo very havana satria tsy nisy antontan-taratasy momba ny isa mihitsy. 135 no hita ka 50 no velona ary 85 no maty, ary 3 mbola karohana. Ny dingana faharoa dia ny “état de lieu”, ka voalohany ny fanadihadiana momba ny aroloza (enquête de sécurité) izay efa mandeha amin’izao fotoana izao. Ahafahana mamaritra ara-teknika ny antony ara-teknika mety nahatonga ny loza, hoy ny Tale Jeneralin’ny APMF Capitaine de Vaisseau Jean Edmond RANDRIANANTENAINA. Ahafahana mamoaka ny tsoa-kevitra fanatsarana na “recommandation” io hoe: fepetra horaisina amin’ny lafiny rafitra, olombelona, fitaovana,… izay tsy maintsy ahitsy mba tsy hitranan’ny loza intsony amin’ny manaraka. Eo ihany koa ny fanadihadiana ara-keloka sy ara-pitsarana na “enquête pénale et judiciaire” ahafahana mamaritra izay tompon’antoka nahatonga ny loza ataon’ny mpitandro filaminana sy ny fitsarana. Fahatelo ny fanitsiana sy fanatsarana tsy hiverenan’ny loza intsony. Nanamafy ny APMF, fa niala antsokosoko tamin’ny 2ora maraina sy 25minitra tao Antanandava, 80km miala an’i Mananara Avaratra raha an-tanety, ary 40km eo raha an-dranomasina. Tsy manana fahazoan-dàlana hitatitra olona, 12m ny lavany, ary 2,60m ny sakany, kanefa olona 138 no nasisika tao anatiny.
EFA MISY NY VOASAMBOTRA, KAROHINA NY TOMPON’NY SAMBO
Anisan'ireo velona tamin'ny loza an-dranomasina ny mpanamory sady tompon'ny sambo. “Ankehitriny izy dia mbola miafina, ary andalam-pikarohana azy ny tompon’andraikitra, indrindra fa ny avy amin’ny mpitandro filaminana. Ny androtry ny alatsinainy 20 desambra ihany dia efa nahetsika ny mpitandro filaminana, manao hazalambo io olona io, ary mino sy mahatoky izahay, fa ho azo tsy ho ela”, hoy ny Tale Jeneralin’ny APMF. “Efa misy olona voasambotra, ary eo am-pelantanan’ny mpitandro filaminana. Tsy maintsy hosaziana araka ny lalàna izay tompon’antoka mivantana na ankolaka, dia misy ho afa-bela, fa atolotra ny fitsarana, iharan’ny lalàna manan-kery”, hoy kosa ny Lehiben’ny fampanoavana miandraikitra ity raharaha ity.
Toky R
Légende: Ireo tompon’andraikitry ny Minisiteran’ny fitaterana sy ny APMF nandritra ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety omaly
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT