Fifamoivoizana

Sambo feno vary 19 andro tsy tafiditra an-tseranana 200 tapitrisa ariary isan’andro eo ny hofany fanampiny


  • Alatsinainy 07 Martsa 2022

Tafiditra soamantsara tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina androany 5 martsa 2022 rehefa nihantsona teo amoron-tsiraka (en rade) nanomboka ny 15 febroary lasa teo noho ny andro ratsy sy ny filaharana amin’ny fidiran’ireo

 sambo, hoy ny orinasa SPM (State Procurement of Madagascar) ny sabotsy lasa teo. Nambara fa somary lava ihany izany fiantsonana izany satria miteraka vola fanampiny aloha amin’ny tompon-tsambo izay mety mahatratra hatramin’ny 200 tapitrisa ariary isan’andro. Ny tranga toy izao koa no isan’ireo antony mampiakatra ny vidin’ireo entana nafarana rehetra, hoy ny fanazavana. Mitondra Vary Tsinjo 10 000 taonina moa izy io, ary ny faran’ny herinandro teo ihany dia efa raikitra ny fampidinana. Miakatra izany ny masonkarenan’ny vary tsinjo, izay isan’ny reharehan’ny Fanjakana, raha toa ka toa ambanin-javatra kosa ny tantsaha Malagasy. Tsy aleo ny varin’ny tantsaha Malagasy no vidiana raha ohatr’izany ihany ? Inona tokoa moa ny olan’ny fanjakana tsy hividy ny vokatry ny tantsaha ka raha ambony ny mason-karenan’izany dia mba hanaovana fanetsenam-bidy na “compensation” ohatran’io atao amin’ny solika io fa tsy hamelona ny tantsaha any Inde, Pakistan,… no atao eto.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT