SAMBO AW

Mety ho nogiazan'ireo jiolahin-dranomasina…


  • Zoma 04 Jolay 2025

Tsy mbola nahitana mangirana ny momba ilay sambo AW izay nitondra mpandeha 30 avy

tao Mahajanga ho any Comores efa ho tapa-bolana izao. Nisy araka izany ny fikarohana natao‚ izay mitohy andro aman’alina. Mifanome tanana amin'ny fikarohana ny fitondram-panjakana Malagasy sy ny Komoriana. Niditra an-tsehatra amin’ny fikarohana ihany koa ny fitondram-panjakana Maorisiana izay andefa fiaramanidina manaraka ny fenitry ny fikarohana hatao.Miisa telo ny loza efa novinavinaina mety ho nanjo ny sambo AW. Voalohany dia mety ho navilin'ny tafiotra na ny riakan-dranomasina na maty motera. Faharoa mety ho jiolahin-dranomasina raha mety ho rendrika ihany koa.Mbola manantena anefa ny rehetra fa tsy rendrika ny sambo AW. Hafantoka tanteraka amin'ireo teboka roa voalohany ireo araka izany ny paikadin'ny fikarohana‚ araka ny fanazavana.Nambaran'ny solontenan'nh Governemantan'i Comores fa efa nanangana "cellule de crise" mikasika izao raharaha izao izy ireo. Tapak'ireo Teknisiana Maorisiana ihany koa fa fiaramanidina roa mpanao fanaraha-maso, "DO 228" no alefa mivantana ao Mahajanga anio Zoma 04 Jolay farafahatarany. Ny iray hanao ny fikarohana mivantana, ny iray hitondra ireo fampitaovana. Dimy andro ny faharetan’ny fikarohana nangatahana hoy ny Tale Jeneralin’ny APMF (Agence portuaire maritime et fluviale). Mety hisy ny fikarohana an-dranomasina. Ankoatra ireo dia misy ny fikarohana hafa ara-pomban-drazana natao sao dia izay no mety ahitana vahaolana.
Nangonin'i Pati
Légende : Ilay sambo nanjavona sy ireo tompon'andraikitra manao ny fikarohana !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT