Fifamoivoizana

Sakana ara-pahasalamana Hentitra ny fanaraha-maso ny RN4


  • Alakamisy 25 Martsa 2021

Nisy ireo fepetra manokana vaovao nentin'ny CRCO Mahajanga hiadiavana sy hisorohona ny fianaky ny valanaretina Coronavirus nanomboka tamin’ity

 

 

 herinandro ity. Niroso tamin'ny fanatanterahana izany ireo Mpitandro filaminana sy ny Mpiasan'ny fahasalamana nanomboka ny 23 martsa ka kasaina hifarana ny 06 aprily 2021. Efa mipetraka sy miasa ny sakana ara-pahasalamana sy ara-piarovana najoro eny amin'ny lalam-pirenena faha 4, eo Madiromasy/Tsaramandroso, distrika Ambatoboeny, PK 412+800 sy eo amin'ny sampanana Anjiajia/ Tanandava distrika Ambatoboeny, PK 435. Ny ao antampon-tanànan'i Mahajanga rahateo dia efa miroso amin'ny fampiharana ny fepetra rehetra. Ny vonjy aina ara-pahasalamana sy ny entam-barotra ihany no afaka mandingana ireo sakana ireo. Entanina ny rehetra mba hanaja izany fepetra izany ho fifampiarovana ary mirary soa ho an'i Mahajanga sy Nosy-be, hoy ny eo anivon’ny zandarimariam-pirenena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT