Fifamoivoizana

Sady efa tsy misy “gél désinfectant” Miverina ny taingim-ben’ny taksibe


  • Alarobia 24 Jona 2020

Maro ireo fepetra fiarovana sy fisorohana ny valanaretina tsy voahaja. Tena goragora tanteraka izany amin’izao fotoana izao, izay antony lehibe mampiparitaka haingana dia haingana ny valanaretina.

 

 

 

Tsy voahaja ny elanelana iray metatra, manomboka maro ny tsy manao arotava ka iny nivoaka iny indray ny fanambarana fa hosamborina izay tratra. Ny any anaty taksibe dia efa hatry ny ela no tsy nisy “gél désinfectant” intsony taorian’ny 17 mey fotoana nomen’ny fanjakana, fa tsy hisy intsony ny fizarana an’io akora fiarovana amin’ny mikraoba io. Ny mahagaga, dia tsy taitra sy tsy mikopaka firy amin’izany ihany koa ny fanjakana fa mitazam-potsiny. Ny Fikambanana Fitia tarihin’ny vadin’ny Filoham-pirenena no nanatanteraka ny fizarana teo aloha, saingy tsy nisy intsony. Tena tsy manana vola hoenti-manana amin’izany ve ny fanjakana. Ny taksibe etsy andaniny, toa maneho fa sady efa miaritra amin’ny seza afovoany ve no mbola hiala vola ihany koa amin’ny “gél désinfectant” hisy vola miditra intsony. Maro ihany koa no tsy manaja intsony ny fepetra 4 isaky ny seza fa dia efa mampiasa ny seza afovoany. Lojika raha miparitaka ny valanaretina, ary tsy voafehy fa mitombo hatrany ny olona voa, indrindra fa ny eto Antananarivo sy Toamasina. Isika Malagasy rahateo toa andrasana tahaka ny omby vao hanaja ny fepetra satria tsy tonga saina amin’ny hoe soa iombonana ny fiarovan-tena.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT