Fifamoivoizana

Rocade d’Iarivo Nahazo foto-drafitrasa maro ny mponina


  • Talata 07 Desambra 2021

Mbola nisy ambiny ny vola nanamboarana ny lalana Rocade d’Iarivo novatsian’ny vondrona Eoropeana vola.

 Tsy nolanilaniana fahatany anefa izany fa nampiasaina ho tombontsoan’ny mponina eny amin’ny manodidika ka anisan’ireny ny fananganana paompin-drano fisotro madio miisa 9, ny toeram-panasan-damba miisa 5 ary ny toeram-pivoahana ho an’ny daholobe miisa 2. Tanjona ny hanalana fahasahiranana ny mponina toy ireo vehivavy mpanasa lamba izay voatery manenjika ny ranon’Ikopa….Hifanome tanana hanentana ny mponina sy hanara-maso ireo fananana iombonana ireo ny kaominina Antananarivo renivohitra sy ny kaominina ambanivohitra Ambohimangakely raha araka ny fantatra. Mikasika ny fikojakojana ny lalana kosa mba ho lovain’ny taranaka faramandimby dia fantatra fa hitarina mandritra ny 2 taona ny fikojakojana izany. Raha tsiahivina mantsy dia betsaka amin’ireo vy eny an-toerana no efa nisy nanendaka sy nanala tamin’ny toerany ka tsy maintsy averina amin’ny laoniny sy karakaraina mba ho endriky ny tanàna.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT