Fifamoivoizana

Rocade d’Iarivo Maro sahady ireo mandika lalàna


  • Talata 29 Jona 2021

Taorian'ny fisokafan'ny lalam-baovao "Rocade d’Iarivo" nanomboka ny 24 jona teo dia efa marobe sahady ireo mpampiasa lalana tsy manara-dalàna ka mety hitarika hatrany amin'ny lozam-pifamoivoizana .

 

 Nidina teny an-toerana ny polisy nanao fampianarana ireo mpampiasa lalana manoloana izany.Nasaina nanaraka ny lalana natokana ho an'ny bisikileta ireo mpitondra izany fa tsy ho any amin'ny arabe.Ireo fiara mipetraka amoron-dalana mijanona mivarotra sy misotrosotro kosa dia tsy nisy navela nijanona teo fa avy hatrany dia nalefa nandeha avokoa. Ireo mpandeha an-tongotra kosa dia nentanina tsy hanao maloto sy hanary fako eny amin’ny manodidina fa hanaja hatrany ny fahadiovana. Izany no natao dia hisorohana ny lozam-pifamoivoizana mety hitranga sy fampianarana ny mpampiasa lalana hanara-dalàna. Tsy nisy aloha ny fanasaziana fa fanentanana no natao omaly. Tsara ho marihana fa lalana no eny amin’ny Rocade d’Iarivo fa tsy toerana fitsangatsanganana na Parc d’attraction ka tokony samy ho tonga saina ny rehetra hoe natao hifamoivoizana izy ity fa tsy natao itoerana maharitra.
Pati
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT