Fifamoivoizana

RNT12A - Vangaindrano sy Tolagnaro Miverina amin'ny laoniny ny fifamoivoizana


  • Alarobia 08 Jolay 2020

Efa niverina nanomboka ny marainan’ny alatsinainy 06 jolay 2020 ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena RNT12A mampitohy an’i Vangaindrano amin’i Tolagnaro rehefa nisy fahatapahana nanomboka ny alakamisy 02 jolay 2020 noho ny fahasimban'ny Bac eo Ebakiky, PK45+000.

 

 

 

 Nisy fiara lehibe mpitatitra olona niampita andro alina ka naharendrika ity Bac ity ary nitarika ny fahatapahan’ny fifamoivoizana. Eo anelanelan’ny amin'ny 6 ora maraina ka hatramin'ny 6 ora hariva ihany no fotoana tokony hiasan'ny Bac. Nilaza ny teo anivon’ny minisitra misahana ny asa vaventy fa efa nandraisana fepetra ireo izay tsy nanara-dalàna na ny tompon'ny fiara vaventy na ny mpitondra ny Bac.

 Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT