Ampahan-dalana tena mampitaraina ny maro ny lalana mampitohy an`Ambilobe sy Vohemar. Ratsy ny lalam-pirenena mirefy 159 km ary mahatratra ora 12-15 no angalana an'izany rehefa hain-tany. Amin`izao vanim-potoanan’ny orana izao dia 5 hatramin`ny 6 andro no ahafahana manao azy.
Mijaly ny vahoaka, simba ny fiara, ny fitaterana mihantona avokoa ny vokatra tokony hivoaka. Tamin`ny volana novambra 2016 dia nitsidika tany avaratra ny filoha HeryRajaonarimampianina ka nanambara fa hamboarina tsy ho ela ny lalana. Efa nivoaka ny tolobidy amin`ny fanamboaran-dalana ny lalam-pirenena RNS 5a ka hiroso amin`ny fanatanterahana ny asa atsy ho atsy ary efa vonona rahateo ireo mpamatsy vola sy ireo mpanohana. Hiroborobo arakaizany ny toekarena any an-toerana satria ho maro ny mampiasa vola ho tonga sady ho maro ihany koa ny fotodrafitrasa sy orinasa hitsangana ka ho mora ny fifandraisan`ny faritra sy DIANA sy SAVA amin`i Madagasikara manontolo. Atsimo-Andrefana-Avaratra-Atsinanana, samy ahitana lalana amboarina avokoa ary lalana tena ilain’ny olona satria be ny toerana lavitra andriana tsy azo nandehanana hatrizay fa mampijaly ny fifezivezena any.
Kabary ambony vavahady
Mbola lavitr'ezaka isika eo amin'ny fampandrosoana raha ny fomba fiasa ny fitondrana no asian-teny. Ity fanamboaran-dalana ity rahateo dia mifampiankina amin`ny fametrahana an`ilay tetikasa Faritra ara-toekarena manokana na ZES eto Madagasikara izay any amin`ny faritra DIANA no hisantarana izany. Ny ZES Madagascara nefa dia mbola miteraka resabe na eo amin`ny mpanao lalàna sy ny mpamatsy vola na dia efa efa miroso ny asa fanaovana tombana ara-bola sy ara-teknika eo amin`ny fanatanterahana azy. Azo antoka ary ve fa hanaraka boin’andraikitra sy ny lalàna amin’ny fahazoana ny tsenan’asa tokoa ve ireo orinasa mpanatanteraka an`izany fanamboarana fotodrafitrasa goavana izany ? Voaporofo aloha fa tsy maharitra ny fanamboarana ataon`ny fitondran foibe satria raha eto an-drenivohitra tapitra potika sy samba ireo lalana izay namboarina ary hita tokoa fa tefy maika sy vonjy tavan`andro ny fanamboarana. Koa raha misy ny mpamatsy vola fa maninona no tsy manohy ny fanamboarana ilay lalana vaovao mampitohy ny renivohitra amin`Ivato ny filoham-pirenena taorian’ny fihaonambe an`ny Frankofonia ny fanjakana Malagasy ? Sa hatao n’ny kandidam- panjakana sasany lokaloka mandritra ny propagandy ny fanamboarana azy ireny ? Be ny tsy mino ary manakiana fa kabary ambony vavahady izany fanamboaran-dalana izany.
Legende:
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.