RNP 2 Manjakandriana-Marozevo

Ho tapaka tanteraka anatin’ny adin’ny iray anio


  • Alakamisy 12 Jona 2025

Ho tapaka tanteraka mandritra ny adiny iray ny fifamoivoizana amin’ny lalam-pirenena faha-2 (RNP 2),

amin’ny faritra eo anelanelan’i Manjakandriana sy Marozevo, ny alakamisy 13 jona 2025 manomboka amin’ny 12 ora atoandro ka hatramin’ny 01 ora tolakandro. Antony mahatonga izany ny asa fanapoahana vato tafiditra ao anatin’ny tetikasa fanamboarana sy fikojakojana ny lalana, hoy ny fanazavana avy amin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy. Nambaran’ity minisitera ity fa tsy hisy lalana an-kilany na fialan-dalana azo andehanana mandritra io fotoana io. Antony izay mahatonga ny manampahefana hangataka amin’ireo mpitondra fiara sy mpandalo mba hanaraka am-pahendrena ny toromarika sy fepetra apetraky ny mpiasan’ny ministera eny an-toerana, mba hisorohana ny korontana sy ny loza mety hitranga. Ilaina, hoy hatrany ny tompon’andraikitra, ny faharetan’ny rehetra mandritra ity fotoana fohy fanakatonana ny lalana ity, ho fanatanterahana asa manan-danja mikendry ny hanatsarana sy hiantohana ny faharetan’ny fotodrafitrasa.
Asmynah Randriamananjara (Mpiana-draharaha)
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT