Fifamoivoizana

RN7- Taingim-be sy fahamamoana Nidoboka am-ponja ilay mpamily


  • Alakamisy 24 Desambra 2020

Natolotra ny fampanoavana omaly ilay mpamily nanao taingim-be tany Kelivozona RN7 ny alahady teo,

 

 

 

izay ny Minisitry ny filaminana anatiny no nahita azy sy nanakana, saingy nivadika ho gidragidra sy resabe, tonga hatramin’ny fampiasana “gaz poivré” noho ilay mpamily voalaza fa saika hikasi-tànana ny minisitra. Vesatra maromaro no anenjehana azy : fitondrana mpandeha mihoatra ny tokony ho izy, fitondrana fiara anaty hamamoana, fandosirana sy fandavana baiko. Voalaza ho tsy manana taratasy fahazoan-dalana mitondra fiara ihany koa izy. Notazonina "fourrière" ao Antanifotsy kosa ilay taksibrosy nentiny. Miandry ny fitsarana azy izany ilay mpamily. Somary miitatra ny adihevitra eo anatrehan’ity raharaha ity ka ao ny maneho fa tena mety ilay fandraisana andraikitra saingy tena mihatra amin’ny rehetra ve ny lalàna? Misy, ohatra, no mampahatsiahy hoe: nanao ahoana ny tohin’ilay tompon’andraikitra ambony tao amina minisitera mamo teo am-pamiliana sy nandratra mpitandro filaminana teny Tsarasaotra ny 16 aogositra 2020? Tsy miditra amin’ny toeran’ny mpitsara isika, fa toa mitovitovy ny tranga satria samy nisy fahamamoana, nisy fitsoahana,

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT