Lasa resabe teny amin’ny tambajotran-tserasera ilay horonan-tsary mikasika toe-
javatra teny amin’ny lalàm-pirenena faha-7 misy tovolahy mitazona basy sy nambara fa nanambana basy. Samy nanana ny filazany sy ny fitantarany, Raha ny vaovao azo, dia ny alahady hariva 20 novambra tokony ho tamin'ny 5ora, afaka ny Sambaina raha avy any Antsirabe no nisehoan’ny tranga. Raha iny hamonjy fodiana iny Minisitry ny polisim-pirenena avy namonjy filankevim-paritry ny governemanta, tao anaty fiarany ny vady aman-janany. Nahatsikaritra fiara Sprinter fotsy, taksibrosy, laharana 7290 T…, feno olona manodidina ny folo eny ambony “porte bagage” ary misy mikiraviravy aty aoriana, hoy ny fanazavana. Nampaneno “sirène” avy hatrany ny ministra ny hijanonan'ny fiara. Tsy nety nijanona anefa ilay mpamily raha tsy nobahanan'ny minisitra tamin'ny fiara nentiny ilay sprinter. Nanantona ny mpamily ny minisitra sady nitonona tamin'ny ho Polisim-pirenena, ary nanome baiko azy hanome ny taratasin’ny fiara. Olona maro no voalaza fa teo amin’ny “dévant”, ary 30 teo no tao anaty fiara. Mody nangataka ny haka sisiny taty ankavanana ilay mpamily, saingy vao nomena lalana haka sisiny izy dia avy hatrany dia lasa nirifatra nitsoaka indray miaraka amin'ny mpandeha tao anatiny, hoy ny fanazavana. Ireo teny ambony tafo nasaina nidina kosa tavela teo. Nanapa-kevitra ny minisitra ny hanaraka azy ireo fa mba tsy hampisy ny loza dia navelany nandeha lavitra sahabo 1km vao niverina nanakana ny fiara indray izy rehefa nandalo lalana ratsy ka nandeha mora ilay mpamily.
NIOMANA TAMIN’NY FITAOVAM-PIADIANA
Efa niomana tamin'ny fitaovam-piadiana izay tao anaty fiarany izy raha mbola tsy nety nanajanona ny fiara ilay mpamily. Rehefa tafajanona fanindroany anefa ny fiara dia nasaina nivoaka ny fiara ny mpamily, nanda izy tamin'ny voalohany, teo no nasain'ny minisitry ny polisy notazomin'ny zanany ilay basy teny aminy mba ahafahany mamoha ny varavaran'ny fiara mba hampidinana ilay mpamily avy tao anaty fiara, hoy ny fanazavana. Voalaza fa mpamily efa mamo tampona tsy mahazaka tena intsony no navoaka avy tao. Olona iray tao anaty fiara no azo niresahina hitady ny taratasy ny fiara sy ny momba ny mpamily. Ary rehefa hita ny taratasy dia milaza izy fa afaka mitondra ny fiara mody eny antananany. Ny mpamily nandritra izany dia niezaka ny hanohitra ny minisitra ka saika hiantoraka teny aminy avy ato aoriana hikasi-tanana azy, izay no naha-voatery ny minisitra nandefa “gaz poivré”, hoy hatrany ny fitantarana. Vesatra maro no mety ho azo hanenjehana ny mpamily. Ny fanontaniana mipetraka dia ny hoe: tsy nisy mpitandro filaminana afaka nanakana mihitsy ve teny an-dàlana nolalovan’ilay fiara?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.