RN7

Rongony 488kg saron’ny zandary


  • Alakamisy 21 Desambra 2023

Rongony mahery vaika na « chanvre indien » 50 kitapo milanja 488 kg be izao no saron'ny

Tobim-paritry ny zandarimaria misahana ny fifamoivozana Antsirabe, raha ny tatitra sy fampitam-baovaon’ny zandarimariam-pirenena omaly. Niainga avy any Ankily Ihosy ny entana, ka voasakan'ny zandary teo Mahandraza Andranomanelatra Antsirabe II (RN7 PK 147). Nafangaro tamin'ny gony an-jatony maro misy eladrano (mica) ireo gony miisa 50 ireo. Notsindriana sy nafenina mafy, ka izay no nahafahany nandingana ireo sakana samihafan’ny mpitandro ny fikaminana. Ny zandary tsirairay dia samy manana ny fomba hahitany ny fandikan-dalàna tsirairay, ka ny BSR Antsirabe tarihin'ny Komandiny sy ireo ekipa tarihiny dia saika mahita fanondranana zava-mahadomelina toy itony foana, hoy ny fanazavana. Nogiazana ambalan-tsazy ny fiara lehibe sy ireo entana voarara. Notazomina hatao fanadihadiana avokoa ireo mpandeha rehetra tao anaty fiara ka ireo nandray anjara mivantana na ankolaka amin'izao raharaha izao dia hatolotra fitsarana, raha ny tatitra hatrany. Nanantena hanao be fandrapaka ny saofera sy ireo mpanao trafika rongony hitady vola fety kinanjo sady very asa no very vola ary mbola handray ny sazy mifanaraka amin'ny lalàna manan-kery eto amin'ny tany sy ny fanjakana, hoy ny zandary, izay nampahatsiahy, fa zava-doza ny zava-mahadomelina izay tiana aparitaka eny anivon'ny fiarahamonina satria manimba ireo tanora izay zary lasa fiankinan-doha ka mitarika amin'ny halatra madinika ao anaty ankohonana hatramin'ny heloka bevava, ka rariny, hoy izy ireo, ny Zandarimaria raha manao izay hamongorana azy. Nisy ny fanentanana hatrany ny amin'ny fanomezam-baovao avy amin'ireo tsara sitrapo ka nanomezana toky fa ho tazomina ho Tsiambaratelo.
Nangonin’i Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • "Terminal"
  • Alarobia 29 Aprily 2026

nasionaly eny Ivato Navaozina tanteraka,

  • KAOMININA BONGATSARA
  • Talata 28 Aprily 2026

Amboarina ny lalana ao Ambohibao

  • AMBONDROMAMY-RN 4
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Taksiborosy iray kila forehitry ny afo

  • Midina an'Ambohijatovo
  • Alatsinainy 27 Aprily 2026

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray

  • Lalam-pirenena faha 31 sy faha 32
  • Alakamisy 16 Aprily 2026

Hovitaina alohan'ny 24 aprily

  • Fitaterana an-dalamby
  • Talata 14 Aprily 2026

“Tsy avela ho rodanan ny FCE”

Hijery ny tohiny
FTT