RN7

Mpamily nifanao totohondry, samy hitory


  • Alatsinainy 08 Desambra 2025

Mpamily fiara fitateram-bahoaka roalahy

no nifamely totohondry rehefa tsy vitan'ny ady vava ny resaka tany amin'ny lalam-pirenena fahafito. Nifampikasoka ny "fitaratra fanao jery mianotra" (rétroviseurs) raha nifanena teo amin'ny làlana tery ny fiara roa tonta. Samy nijanona izy ireo ary samy nidina nifanazava. Niakatra ny feo nandritra izany ka tsy nisy nifandefitra. Niafara tamin'ny fifampikasihan-tànana ny resaka vokatr'izany. Mpandeha iray moa no niezaka nanasaraka ary naratra mafy vokatry ny totohondry. Niditra an-tsehatra ny zandarimaria taorian'izany ary fantatra fa hifampitory. Nosintomina ny taratasin'ny fiara ka naterina tany amin'ny fitodiany ny mpandeha. Niverina "vide" teny amin'ny biraon'ny zandary niatrika famotorana kosa izy roalahy
Nangonin'i Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT