Fifamoivoizana

RN7-Fiara lasa tany anaty hantsana 3 no namoy ny ainy teo noho eo


  • Alatsinainy 11 Janoary 2021

Fiara mpitatitra olona iray niainga avy any Fianarantsoa no tra-doza nivadika tao

 

 

 

anaty hantsana sy tanim-bary tao Ikianja Ambohimanjaka any Ilaka Centre any amin’ny RN7 iny alin'ny sabotsy hifoha ny lahady tokony ho tamin'ny 1ora latsaka kely teo. 2 no fantatra fa maty ary mbola eo am-panavotana ny razana, ny 1 mbola tsy hita, am-polony no naratra, hoy ny fampitam-baovao ny alahady maraina. Nisy ny loharanom-baovao nilaza fa tafiakatra 3 no namoy ny ainy, ary mbola nifampisokirana ny mpamily sy ny iray tamin’ireo maty. Tratry ny torimaso ny mpamily, raha ny fanampim-panazavana vonjimaika. Raha ny nambaran’ny mpandeha naratra tao anatin'ity fiara ity, dia tamin'ny 6ora harivan’ny sabotsy no niainga avy any Fianarantsoa hihazo an'i Antananarivo ity fiara ity, ka olona 5 isaky ny laharana no tao anatiny ary mbola nitondra voatovo amin'ny gony maromaro. Ireo mpandeha tamin'ny fiara sasany no nifarimbona namonjy ny loza, nentina namonjy ny hopitalin’Antsirabe ny ankamaroan’ny maratra. Samy manana ny fahadisoany na ny mpandeha, izay nanaiky fa olona 5 isaky ny seza, na ny mpamily nampanao izany, raha misy ifandraisany amin’io ny loza niseho. Vao ny 30 desambra no nisy loza mahatsiravina nahafatesana olona 2 tany akaikin’Ambohimasoa, ary io nisehoana loza mahatsiravina io indray ny RN7 ny faran’ny herinandro teo.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT