Fifamoivoizana

RN7 Atsimon’Iavoloha 3 mianaka nodomin’ny moto, maty izy mivady


  • Alatsinainy 22 Febroary 2021

Nitrangana toe-javatra mampalahelo teny Atsimon’Iavoloha, lalam-pirenena fahafito omaly maraina.

 

 

 

 Olona 3 mianaka nitaingina moto handeha hiazo an’Ambatolampy no tra-doza tokony ho tamin’ny 06 ora maraina. Raha araka ny vaovao azo avy tamin'ireo nanatri-maso dia niala bisikileta nitondra mofo izy ireo ka nifandona tamin'ny kamiao. Maty tsy tra-drano izy mivady vokatr’izany. Nipotsaka mihitsy ny ati-dohany, fa ilay zanak'izy ireo lahikely kosa nentina haingana namonjy toeram-pitsaboana. Ny tongotr’ity farany no voalaza fa voa mafy saingy efa nahazo ny fitsaboana sahaza azy izy ka tsy misy ahiana ny ainy.

Pati

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT