RN6 : Zotra nasionaly sy rejionaly

Naato avokoa tamin’ny faran’ny herinandro


  • Alatsinainy 13 Janoary 2025

Naato avokoa hatramin’ny omaly Alahady 12 Janoary ny zotra nasionaly sy ny rezionaly miazo

ny lalam-pirenena faha-6. Noho ny fisian’ilay rivo-doza mahery vaika Dikeledi no antony nandraisan’ireo tompon’andraikitra sy kaoperativam-pitaterana izany fampiantoana izany ho fiarovana ny ain’ny mpitatitra sy ny mpandeha. Am-polony maro ireo mpandeha voatery nijanona mihitsoka eto an-drenivohitra vokatr’izany. Mpanao varo-mandeha ny ankamaroan’izy ireo, raha araka ny fanadihadiana natao hamonjy tsena any amin’iny Faritra SAVA sy DIANA iny. Ankoatra ity fepetra noraisina ity moa dia efa narahi-maso daholo ihany koa ireo tambajotran-jiro tany amin’ireo faritra roa ireo nanomboka tamin’io Sabotsy io. Toraka izany koa ireo karazana tetezana mety hohampiasan’ny mpampiasa lalana, ny tany ahiana hihotsaka tampoka ka mety hamoizana aina….Ho an’ny Ministeran’ny Asa Vaventy dia ilay tetezana tao Manambery tany Vohemar no efa nojeren’izy ireo sy narahiny maso akaiky.
Pati
Legende : Mila maka aina ihany koa ny fiara fitateram-bahoaka rehefa amin’ny vanim-potoana tahaka izao !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT