Fifamoivoizana

RN6 Antsohihy-Port Bergé Tapaka tanteraka nanomboka omaly


  • Zoma 27 Janoary 2023

Tapaka tanteraka nanomboka omaly Na efa andro maromaro aza izay no nivoaka an-dranomasina ilay rivodoza Cheneso,

dia mitohy kosa ny oram-pahavaratra naterany, saika amin’ny faritra maro manerana ny Nosy. Miteraka fahasimbana sy fahapotehana amin’ny endriny maro satria satria efa maherin’ny 50 000 ny isan’ny olona traboina manerana ny Nosy, betsaka ny fotodrafitrasa simba, toy ny làlam-pirenena maro. Tapaka tanteraka nanomboka omaly ny RN6. Tapaka mantsy ny làlana eo Ambalavola Ambalafaminty eo amin’ny PK 217+100, anelanelan’Antsohihy sy Port Bergé. Nihotsaka ny tetezana izay mirefy 9metatra, fiara tsy vaky fitaratra na “fourgon” no nivarina tao anaty rano. Tsy nisy kosa ny aina nafoy tamin’ny filatsahan’ity fiara ity, raha ny fampitam-baovao. Tetezana vao napetraka iray volana teo moa ity nihotsaka ity. Vokatry ny fangalarana ny bizo tao ambaniny no voalaza fa isan’ny nahatonga ny fihotsahana. Ankoatra ilay tetezana 9m, dia nokahon’ny rano ihany koa teo ny toerana nipetrahany, ka hatrany amin’ny 30 metatra ny fahatapahana. Tsy maintsy “transbodement” izany hoe: fifamindrana entana sy mpandeha no atao. Ampahany amin’ny làlana simba sy tapaka io, fa tena saika manerana ny Nosy no tratry ny fahavoazana miseho amin’ny endriny maro. Henjana ny manarina ny fahavoazana satria ny teo tsy voakarakara sy tsy vita, ny fahapotehana hafa misosoka ihany.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT