Fifamoivoizana

RN6 Ambilobe – Ambanja Tapaka ny tetezana, mihotsaka ny arabe


  • Alatsinainy 19 Martsa 2018

Fampandrenesana ofisialy ny avy amin’ny minisiteran’ny asa vaventy fa tapaka ny lalam-pirenena faha-6 (RN6) eo anelanelan’Ambilobe sy Ambanja noho ny fahatapahana tetezana sy fihotsahan’ny lalana taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Eliakim.

 

Eo aloha ny tetezan’Antanambaon’Ankiniky (PK 499 + 150), tetezan’Antsatrana (PK 522), ny tetezan’ny Beramanja (PK 540 + 500). Misy ihany koa ny fihotsahan’ny lalana eo Ankazomainty (PK 521 + 500) sy Angodrofo (PK 536 + 030). Efa any an-toerana ankehitriny ireo teknisianina mijery ifotony ny vahaolana hamerenana ny fifamoivoizana faran’izay haingana. Ny minisiteran’ny asa vaventy dia manentana hatrany ny mpampiasa ny lalana, indrindra amin’izao fotoana fandalovan’ny rivodoza izao, mba hitandrina amin’ny loza mety hiseho, hanaja ny hafainganam-pandeha ary hanaraka ny toromarika omen’ireo tompon’andraikitra any an-toerana. Hita taratra amin’izao fa nahery vaika ity rivodoza Eliakim ity. Tsy azo lavina anefa fa efa tena malemy ihany koa ny fotodrafitrasa momba ny lalana eto Madagasikara noho ny tsy fahampian’ny fikojakojana ara-potoana.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT