Fifamoivoizana

RN5 Ambodiatafana, Foulpointe Potika tanteraka


  • Talata 06 Martsa 2018

Feno rano tanteraka ireo faritra iva ao Toamasina nandritra ny fandalovan’ny rivodoza Dumazile teo amin’ny 170km ny fari-dranomasin’i Toamasina ny alahady teo, noho ireo oram-be sy tafiotra nentiny.

 

 Efa hatreny andilana (ambalahana) tanteraka ny rano ho an’ny faritra sasany, toy ny tao Mangarano I sy II, Andranomadio manana fokontany efatra ary ny tao Ambalamanasy. Nampanainga zipo izany ho an’ireo faritra iva sasany, tahaka ny tao Mangarivotra atsimo, Tanambao V, Tanambao I sy II ary III, Morarano ary Ambalakisoa. Na ny tao an-tampon-tanànan’i Toamasina aza dia tena nampiteny ny moana ny fiangonan’ny rano tahaka ny hita teo anoloan’ny sampana mpamonjy voina sy hain-trano ary ny birao ara-teknikan’ny kaominina izay misy ny tranon’ny filohan’ny mpanolotsain’ny kaominaly vaovao. Teo koa ny tao Anjoma sy ny tao amin’ny “gare routière”. Na teo aza ireo tranga ireo dia 24ora aty aorian’ny orambe nentin’ny Dumazile dia tsy manana tarehimarika azo nomena ny mpanao gazetin’ny teo anivon’ny BNGRC Toamasina mikasika ireo traboina noho ny fiakaran’ny rano. Ankoatra izay, vao mainka niteraka fahasimbana be amin’ny lalam-pirenena faha-5, indrindra ny eo anelanelan’Ambodiatafana sy Mahavelona Foulpointe ny oram-be nentin’iny rivodoza iny. Lasa lalam-potaka tanteraka ankehitriny ny anaovana ny lalana 50 km. Ity lalana ity anefa niakarana solombavambahoaka avy ao Toamasina manohana ny fitondrana fahitalavitra tamin’ny volana febroary iny fa efa vita sy efa “manara-penitra”. Raha mitohy ny andro ratsy tahaka izao dia hatahorana ny hahatapaka ny fitaterana amin’ity lalana ity noho ny fahasimbany goavana tsy nisy fanamboarana hatramin’ny tetezamita no ho mankaty.

 

Rakoutou

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT