Fifamoivoizana

RN44-Tobim-piantsonan’ny “Cotisse” Tsy eken’ireo Kaoperativa ao Ambalabako


  • Alarobia 11 Novambra 2020

Tsy manaiky ireo solontenan'ny kaoperativam-pitaterana ao Ambalabako mahakasika ny fametrahana tobim-piantsonana an’ny "Cotisse" eo amin'ny biraon'ny ATT teo aloha na ex-PMI ao Avaradrova.

 Hanokatra zotra any amin’ny lalàm-pirenena faha-44 izany ity Kaoperativa ity. Mihataka amin’ny rehetra ary aty an-tanànan’Ambatondrazaka mihitsy no hanaovana ity toeram-piantsonana ana kaoperativa iray ity, fa tsy hitambatra amin’ny rehetra izay efa somary mivoaka ny tanàna, izay tsy ankasitrahan’ireo any amin’ny Tobim-piantsonana iraisana. Etsy ankilany, nanambara ny ben'ny tanànan’Ambatondrazaka fa afaka miakatra ao an-tampon-tanàna avokoa ireo kaoperativa rehetra raha manaraka ny fepetra. Raha izay no arahana ary hanao tahaka izany avokoa ny rehetra dia mety ho faty sy tsy hampiasaina intsony izany ny fotodrafitrasa ao Ambalabako. Lasa adihevitra ity toe-draharaha ity, ka dia andrasana ny tohiny!

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT