Fifamoivoizana

RN44-Taksibrosy tra-doza Mpandeha 3 indray namoy ny ainy


  • Alatsinainy 17 Janoary 2022

Fiara taksiborosy marika Sprinter mitondra ny laharana 9507 AH, zotra rejionaly mampitohy an'Ambatondrazaka sy Amparafaravola no niharan-doza teo Andilapotsy, 5 Km miala an'Ambatondrazaka omaly alahady 16 janoary 2022

 atoandro. Olona 3 no maty tsy tra-drano, ary maro ireo maratra naiditra hopitaly. Raha ny vaovao farany azo omaly takariva moa, dia vehivavy ny roa tamin’ireo namoy ny ainy izay maty teo noho eo, ary lehilahy iray kosa namoy ny ainy tao amin'ny hopitalin 'Ambatondrazaka vokatry ny ratra mafy nahazo azy, ary mpandeha 07 hafa no naratra mafy vokatr’ity loza mahatsiravina ity. Araka ny fitantaran'ireo nanatri-maso dia vokatry ny fandehanana mafy no nahatonga ny loza. Raha ny fahitana ny sary, dia nisy tamin’ny mpandeha no niezaka nanavotra aina kinanjo vao mainka voatsindrin’ilay fiara.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT