Fifamoivoizana

RN44 Manomboka mampikolay


  • Talata 22 Desambra 2020

Manomboka mampikolay ny làlam-pirenena faha-44 amin’izao fotoana izao. Vao

 

 

mirotsaka ny orana, dia efa malama sy mamotaka ny làlana aty amin’ny tapany Vohidiala-Amboasary. Marina fa misy ny fanamboarana ny RN44, saingy tsy izy manontolo aloha no amboarina hatreto, ary ny tapany tsy misy fikitihina io efa mampijaly io sahady. Isan’izany ny aloha kely tsy hidirana an’i Ranofotsy, raha hiakatra, izay afak’omaly, dia efa nisy ny fiara nihitsoka nibahan-dàlana satria samy tsy afaka. Misy amin’ireo mpitatitra no mihevitra ny hanatsahatra ny asa fandraharahana aloha, raha mihafamafy ny haratsian’ny làlana satria manimba zavatra, hoy izy ireo. Marihina fa manodidina ny 25 000 Ar eo ny saran-dàlana Antananarivo mihazo an’Ambatondrazaka amin’izao fotoana izao.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT