Manao tohivakana indray ny lozam-pifamoivoizana hamoizan'aina eto amintsika.
Taxi brousse iray avy any amin'ny distrikan'Ambositra hihazo an'i Mahajanga indray omaly Alarobia 02 Jolay maraina no tra-doza teo Antanimalalaka, Antanimbary, distrikan'i Maevatanana. Raha araka ny fantatra dia niala ny lalana tampoka ka nivadibadika ary latsaka anaty antsana ity taxi-brousse. Olona miisa 3 no indray namoy ny ainy vokatr'izany ka zazakely vao 3 taona monja ny iray. Ankoatra ireo dia olona am-polony no naratra mafy ka efa noentina namonjy tobim-pahasalamana. Potika tanteraka ilay fiara. Nanampy tamin'ny famonjena sy fanesorana ireo olona avy tao anatin'ilay fiara moa ireo zandary miasa eny amin'iny faritra iny. Tsiahivina moa fa efa tafiditra ao anatin'ny fotom-pialan-tsasatra tanteraka isika izao koa manentanaireo mpamily sy ny mpampiasa lalana rehetra mba samy hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana hisorohana ny loza tahaka izao. Tafiditra ao anatin'izany ny fanajan'ny mpamily ny ora tokony hatoriany.
Pati
Légende : Nivarimbarina tany an-kady tahaka izao ilay taksibrosy !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.