Fiara fitateram-bahoaka Sprinter iray mampitohy ny distrikan'i Mampikony sy Antananarivo
no tra-doza tao amin'ny Fokontany Ambohimanarina PK 90+200 ny 31 Jolay lasa teo tamin'ny 11 ora sy 49 minitra.Teo amin'ny lalana mahitsy vita tara, anaty tanàna no nitrangan'ny loza hoy ny vaovao ka nampihilana ilay fiara tany amin'ny sisin'ny arabe.Tombanana ho vokatry ny tsy fitandreman'ny mpamily izay vao 21 taona monja no nahatonga ny loza. Lohalaharana amin'izany ny fandehanana mafy sy ny tsy fahampian'ny torimaso raha teo koa ny tsy fisian'ny mpamily faharoa mpanampy azy. Mpandeha miisa 6 no naratra mafy vokatr'izany ka zaza madinika avokoa ny efatra (14, 8, 3 ary 2 taona). Tsy maintsy nentina namonjy hopitaly lehibe tao Ankazobe ireo naratra. Nahitana fahasimbana goavana ihany koa ny fiarakodia. Efa misokatra avy hatrany ny famotorana hataon'ny zandarimariam-pirenena ao Ankazobe. Tsiahivina fa tafiditra tanteraka anaty vakansy lehibe isika ankehitriny. Maro ireo fiara mampiasa ny lalam-pirenena koa hanairana ny tompon'andraikitra indrindra fa ny fanaraha-maso azy ireny.
Pati
Légende : Tahaka izao no nihafaran'ilay fiarabe tra-doza !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.