RN4, SPRINTER ROA NIFANDONA

Olona iray no namoy ny ainy


  • Alarobia 18 Septambra 2024

Nitrangana lozam-pifamoivoizana nahatsiravina tany amin’ny Fokontany Mahatsinjo,

distrikan’i Maevatanana afak’omaly Alatsinainy 16 Septambra alina. Fiara Sprinter samy avy amin’ny zotra rezionaly feno mpandeha no fantatra fa nifandona ka namoizana ain’olona iray. Ankoatra ity farany dia olona misa 10 ihany koa no fantatra fa naratra mafy. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia samy nandeha mafy ireo fiara Sprinter misa roa ireo. Ny andro anefa alina ka samy tsy nisy nahatana araka ny tokony ho izy ny familiana ireo mpamily roa tonta. Efa nandray an-tanana avy hatrany ireo naratra moa ny tobim-pitsaboana ao Maevatanana hoy ny vaovao raha efa nalain’ny fianakaviany kosa ny razana. Mbola maro tamin’ireo mpandeha tao anatin’ireo fiara Sprinter ireo no avy niala sasatra tany Mahajanga raha nisy ihany koa ireo mpanao varo-mandeha, hoy hatrany ny vaovao.
Pati
Legende : Hitrangana lozam-pifamoivoizana matetika any amin’ny lalam-pirenena faha-4 !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT