RN4

Masiaka ny dahalo, mitondra basy ny ankamaroany


  • Alatsinainy 15 Janoary 2024

Masiaka tsy misy toy izany ny dahalo any amin’ny lalam-pirenena fahaefatra

miazo an’i Mahajanga amin’izao fotoana izao. Vao amin’ny 06 ora hariva dia efa mirotsaka an-tsehatra ny mpanakan-dalana miaraka amin’ny fitaovam-piadiana mahery vaika. Raha araka ny loharanom-baovao azo dia any amin’ny distrikan’Ankazobe, ao Tsiafabositra ary ao Andranofasika no tena faritra mena hanjakan’ireo dahalo. Tsy pilotra sy antsy lavalela intsony no hampiasain’izy ireo mandritra izany fa efa basy mitovy amin’ny an’ny mpitandro ny filaminana mihitsy hoy ny vaovao ka izay mifanehitra aminy dia rarafany tsy hananany hantra avokoa. Fiaran’olon-tsotra iray afak’omaly Sabotsy alina no lasibatra tany amin’iny lalam-pirenena fahaefatra iny saingy afa-nitsoaka. Na izany aza afaka nanatona mpitandro ny filaminana tsara izy ireo nitantara ny zava-misy. Manafatra izay rehetra mampiasa na mbola hampiasa ny RN4 araka izany izy ireo mba samy hitandrina tsara ka tsy handeha amin’ny andro alina raha azo hatao fa avy hatrany dia maka toerana azo antoka raha vao mody ny masoandro.
Pati
Legende : Tanana be dahalo hatramin’izay ny eto Ankazobe !

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT