RN4, loza mahatsiravina

Kamiao sy 4x4 latsaka tany anaty hantsana


  • Zoma 12 Desambra 2025

Nitrangana lozam-pifamoivoizana

mahatsiravina omaly Alakamisy 11 Desambra teny Antananarivokely, lalam-pirenena fahaefatra. Kamiao lehibe iray mpitatitra entana sy fiara tsy mataho-dalana 4x4 iray no voalaza fa niara-latsaka tany anaty antsana ka olona maromaro no naratra mafy. Raha araka ny fantatra dia fiara nifanena izy ireo. Tsy fantatra kosa anefa izay olana nianjady tamin'ny andaniny sy ny ankilany. Ny telo moa no fantatra fa efa nentina namonjy Hopitaly hatramin'ny omaly hariva.. Nisy zazakely iray ihany koa voamafy saingy raha ny vaovao azo dia avotra soa aman-tsara izy. Tsiahivina moa fa fotoana tena mampahazo vahana ireo karazana lozam-pifamoivoizana ny volana Desambra tahaka izao ka tokony samy hitandrina ny tsirairay. Ankoatra ny fanaraha-maso tsara ny fiara entina sy ny fitandreman'ny mpamily dia tsy tokony hohadinoana ny manankina ny dia eo am-pelatanan'Andriamanitra.
Pati
Légende : Vahoaka marobe tahaka izao no niezaka nanavotra ireo olona naratra !
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT