Fifamoivoizana

RN4-Loza mahatsiravina 6 indray namoy ny ainy teny Andranovelona


  • Alakamisy 29 Jolay 2021

Fiara marika sprinter ao anatin’ny koperativa mampitohy an’I Mahajanga amin’ny làlam-pirenena faha-4 iny no tra-doza omaly maraina tokony ho tamin’ny 5 ora maraina.

 Olona 3 no voalaza fa namoy ny ainy vokatr’izany. Ny takariva, tafiakatra 6 ireo namoy ny ainy, raha ny vaovao farany azo. Zaza ny roa tamin'ireo namoy ny ainy ireo. Fandehanana mafy no nahatonga ny loza ka nivadibadika teny ankavian-dalana ny fiara araka ny nambaran'ny Kapiteny Raoelison, komandin'ny zandarimariam-pirenena Ankazobe. Tsaboina eny amin'ny hopitaly Ankazobe ireo naratra. Matetika no hitrangana loza mahatsiravina any amin’iny RN4 iny sy ny làlam-pirenena maro. Ilaina hatrany mitandrina, indrindra amin’izao vanim-potoana fialan-tsasatra mahabetsaka ny mpandeha izao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Fifamoivoizana

  • MIHENA
  • Alarobia 23 Septambra 2026

NY FITOHANANA ENY AMORONAKONA

  • Fifindrana etsy Amoronankona
  • Alakamisy 17 Septambra 2026

Nirindra sy nahomby, efa tafafindra

  • Famindrana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

eny Amoronankona

  • Raharaha Fasan’ny Karana,
  • Alarobia 16 Septambra 2026

fanakanana ny RN7

  • Toby fiantsonana
  • Alarobia 16 Septambra 2026

Amoronankona

  • Loza teny Ambohidahy
  • Talata 15 Septambra 2026

Nidoboka am-ponja vonjimaika i Charles

Hijery ny tohiny
FTT